<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.F. Hurndall</author>
<lyrics>[V1]
 Jeso Sakaizan'ny zaza,
 Tompo koa,
 Jeso Sakaiza Malaza !
 Mihainoa !

[V2]
 Zaza izahay mitaraina
 Aminao ;
 Mbola marefo ny aina,
 Tanonao.

[V3]
 Jeso Sakaiza malala,
 Tokinay ;
 Aoka mba tsy ho adala
 Izahay.

[V4]
 Jeso ô ! ampianaro
 Izahay,
 Jeso ! avia hiaro
 Ny dianay.

[V5]
 Zaza izahay,ka sakano
 Tsy hania ;
 Kely izahay ka tantano
 Jeso tia !

[V6]
 Ary ny ray aman-dreny
 Raisonao,
 Aoka ny fony homeny
 Ho Anao.

[V7]
 Jeso Sakaizan'ny zaza,
 Tompo koa !
 Jeso Sakaiza malala
 Mihainoa.</lyrics>
<title>Jeso Sakaizan'ny zaza, Tompo tokoa FFPM809</title>
<hymn_number>809</hymn_number>
</song>